Ankohonana 18 amin`ny 119 etsy La Réunion Kely no nisitraka kaontenera miendrika trano fonenana fanomezana avy amin`ny filoham-pirenena ny alakamisy lasa teo.
Mbola ho avy ny anjaran`ny sasany amin`ny tapaky ny volana septambra 2019. Ankasitrahana tanteraka ny fihetsika satria mitsinjo tokoa ny madinika ny fitondram-panjakana ary naka fepetra eo no ho eo sady fepetra maika. Ny zavatra tsy tokony hohadinoina anefa, ny vahaolana amin`ny resaka trano fonenana eto Madagasikara dia tsy afa-misaraka amin`ny fitsinjovana an`ireo fiharian`ireo olona ireo, ny fivelomany ary ny fitaizana azy. Ho an`ny mponina eny La Réunion kely, inona ny fitaizana omena ho azy ireo ? Ny tsotra indrindra dia ny fampahafantarana azy ireo fa tsy azo honenana ny toerana manamorona lakandrano. Rehefa fahavaratra toy izao, esoina ho traboina izy ireo ary hatramin`izay nolazaina fa tsy misy ny fanentanana ataon`ireo tompon’andraikitra hoe toerana tsy hanorenana ny eny amorona tohadrano, lakandrano. Amin`izao, omena vahana. Aiza ilay fitaizana ? Omena trano maharitra indray mantsy ireo olona ireo. Tafita ilay fitaizana satria azo ipetrahana eo amin`io toerana io. Hirona eny La Réunion Kely avokoa ireo olona sahirana satria efa misy fizarana trano ka hihazakazaka daholo ny rehetra nefa eny an-toerana dia efa tomefy olona. Faharoa, raha misy toerana hanjakan`ny fanendahana sy ny vono olona, eny amin`iny faritra iny. Mitoby ao avokoa ny mpanendaka, ny mpifoka zava-mahadomelina, ny mpanao sinto-mahery… Faritra mena raha resaka fandriampahalemana no hasian-teny. Hahazo vahana ny hala-botry satria tiana hitoetra ao avokoa. Fahatelo, resaka seha-pihariana : mampalahelo ny fiainan`ny mponina eny satria saika mitsindroka tavoahangy, mikaroka fako, mivarotra etsy sy eroa no asam-pivelomany kanefa ny fitondrana dia mampirisika azy ireo hanohy. Ohatra, mandalo fotoan-tsarotra ny vidim-bary eto Madagasikara ka avy ny mpanao politika manolotra vary mora. Ekena fa miainga eny ifotony ny fampandrosoana fa tsy midika ho fotodrafitrasa eny ifotony kanefa fampirisihana sy fitarihana ny Malagasy hampitombo ny fahafahany mamokatra no tena tanjona. Ny zava-doza ihany koa dia hiakatra avokoa ny mponina avy any ambanivohitra satria misy fizarana trano aty Iarivo. Ilaozana avokoa ny tany any an-tanàna ka hidina hamaritra azy indray ireo mpanam-bola sy vahiny na koa hitrandraka izany. Ilaozana ve i Soamahamanina ka hatakalo trano kaontenera vonjimaika ? Ny famokarantsika eto an-toerana no lalana tokana sy maharitra hahafahana mampiakatra ny fahefa-mividin`ny tsirairay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.