LA REUNION KELY ETSY AMPEFILOHA

Mararin’ny fofona sy ny hafanambe ny ankizy madinika


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Mararin’ny fofona sy ny hafanambe ny ankamaroan’ireo ankizy madinika sy zokiolona monina etsy

La Reunion kely Ampefiloha. Ankoatra ny kohoka sy ny gripa mahery dia misy mihitsy ireo tratran’ny tazo na dia mafanabe aza ny andro, raha araka ny fanadihadiana natao. Hatramin’ny tsy nilatsahan’ny ranon’orana intsony no voalaza fa antony tena nampirongatra ireo karazan’aretina ireo. Ankoatra izay dia manempotra ihany koa ny fofona na dia amin’ny andro atoandro aza. Tsy misy manana trano fivoahana mantsy izy ireo raha tsiahivina fa eny amin’ny sisin’ilay lakan-drano mandalo eny an-toerana ihany no manao izany hany ka mandrora mitsilany ihany. Eo an-danin’izay anefa dia tsy misy manana fahafahana ny hitsabo tena koa ny ankamaroany fa miaina amin’ny fanaovana dokotera tenany na miandry ireo karazana fitsaboana maimaim-poana ….Nomarihin’ireo mponina moa fa na dia misy amin’izy ireo aza no mipetraka anaty trano kaontenera dia mahatsiaro mijaly tokoa. Mamaibe mila tsy azo hiainana izany na dia amin’ny alina aza, hany ka tsy maintsy mamoha varavarana ny ankamaroan’izy ireo, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany, antony hihinanan’ny moka azy ka mampirongatra ny aretina tazo.
Pati
Legende : Na dia kaontera aza ny trano ety dia tena mamay fatratra amin’izao andro mafanabe izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT