Sosialy

LA REUNION KELY Ankizy madinika maro no hahazo kopia mari-pahaterahana


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Tsy manana kopia mari-pahaterahana ny ankamaroan’ireo ankizy madinika monina eny La Réunion kely.

 

 

Noho  ireo renim-pianakaviana miteraka any amin’ny Renin-jaza na any an-trano no mahatonga izany raha eo ihany koa ny hasarotan’ny fiainana sy ny tahotra ny hanatona biraom-panjakana. Manoloana io tranga io dia nandray fanapahan-kevitra ny Boriborintany voalohany sy ny fikambanana iray tarihin’ny delege Razafimbelo Harinosy Jacques fa handray an-tanana azy ireo. Ankizy latsaky ny 14 taona miisa 800 no kasain’izy ireo hozaraina kopia mari-pahaterahana maimaim-poana eto an-drenivohitra, tsy misy vola aloha  ka anisan’izany ireo ankizy monina eny La Réunion kely sy ireo zanaky ny sahirana. Ankoatra izay dia hijery ireo mpivady mbola tsy nisora-panambadiana ihany koa ny Boriborintany voalohany, hetsika kasaina hotanterahina mialohan’ny fetin’ny 26 Jona ho avy izao. Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa efa mandeha eny anivon’ny Fokontany ny fisoratana anarana amin’izao fotoana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT