Trano 14 no may kilan’ny afo tetsy « La Réunion kely » Ampefiloha ny alahady vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 3 ora. Tsy nisy ny aina nafoy.
Araka ny fantatra dia olona 56 avy amin’ireo fianakaviana 14 voalaza no tsy manan-kialofana ka notolorana lay 20, vary amin’ny gony 20, ary bodofotsy 20. Ankoatra izay dia nanome « Voin-kava- mahatratra » 100 000 Ariary isam-pianakaviana ny Fitondram-panjakana. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy omaly ny praiminisitra Ntsay Christian nampahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina. Nambarany fa azo amboarina ho trano honenan’ireo tsy manan-kialofana ny kaontenera, sady hiaro azy ireo amin’ny fiakaran’ny rano rahateo, indrindra fa amin’ny fotoam-pahavaratra ary efa fanao any amina firenena maro izany. Araka izany dia nanao antso avo ho an’izay manana kaontenera izy, mba hanolotra izany, handraisana vonjimaika an’ireto fianakaviana ireto. Notsipihiny fa zava-dehibe ny fikarohana vahaolana maharitra amin’ity olana mahakasika ireo tsy manan-kialofana ity. Marihina fa nanatrika ny fitsidihana teny an-toerana ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny mponina, ary ny lehiben’ny Distrikan’Antananarivo I.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.