Sosialy

La Réunion kely 13 taona ny ankizivavy dia efa reny


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Tanàna kely iray ahitana trangam-piainana maro ny etsy La Réunion kely, Ampefiloha misy ireo trano plastika an-jatony.

 
Ankoatra ny fahasahiranana  sy ny loto mandavan-taona iainan’ny mponina dia anisan’ny mitondra faisana ihany koa, indrindra ny ankizy madinika. Ho an’ireo tovovavy kely mananika ny faha-12 na faha-13 taonany  ohatra dia maro amin’izy ireo no efa reny sahady. Noho ny tsy fahafahan’ireo reniny na renibeny mampianatra azy ireny intsony no antony mahatonga izany  ka manosika azy hanaotao foana. Anisan’ireny ny fidirana mialoha loatra amin’ny firaisana ara-nofo mba hahazoana tambitamby sy hamenoana ny banga, hany ka mibaby kitra tsy fidiny. Maromaro izy ireo no lasibatra ka ireo izay mangoraka no mampianatra azy ireny mitaiza sy manome izay voatsirambin’ny tanany. Amin’ny ankapobeny dia saika tsy fantatra avokoa  ny rain’ireny zaza madinika tsy manan-tsiny ireny. Tsiahivina fa miisa 3.000 eo ho eo ankehitriny ireo mponina eny La Réunion kely, toerana izay tena feno ireo ankizikely tsy manan-tsiny mpangataka ihany koa.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT