Sosialy

“La Haute ville” sy ny manodidina Fokontany 9 voasokajy ho faritra mena


  • Talata 05 Febroary 2019

Tokantrano 2403 tafo no tsy maintsy miala tanteraka eny amin’ny faritry ny “La haute ville” ka afindra toerana any amin’ny Village Voara Andohatapenaka, any Ambohidratrimo ary eny amin’ny kianja

 

 

mitafon’i Mahamasina sy ny INPF toerana vonjimaika hametrahana azy ireo. Mbola mitady vahaolana hafa ny fitondram-panjakana satria tsy ampy ireo toerana ireo. Faritra maro ao anatina fokontany sivy amin’ny faritra ambony eto Antananarivo na La Haute ville iny no tsy azo antoka intsony ary ahiana mbola hitrangan’ny fihotsahana tany sy vato, dia Ambatovinaky, Tsimialonjafy, Ambanin’Ampamarinana, Ankadilalana, Ambohipotsy, Ambohimitsimbina, Manjakamiadana, Andafiavaratra ary Manakambahiny .Midika izany fa fahendrena ho an’ny mponina amin’ireo faritra efa mampiahiahy eny amin’ireo fokontany ireo no mila mifindra faran’izay haingana mba hisorohana ny loza mahatsiravina mety hitranga indray. Niasa mafy ny zandarimarima-pirenena nanomboka omaly alatsinainy tetsy amin’ny fokontanin’Ambanin’ampamarinana, toerana nisian’ilay vatobe nianjera namono olona efatra ny alahady maraina teo. Tsy azo hijanonana amin’ny alina intsony eny amin’ity fokontany iray ity sy ny 50 metatra manodidina azy nanomboka  ny alahady alina, ary dia miambina eny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana mba hisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana na halatra amin’ireo entana mbola tavela eny, hoy ny  Lietnà kôlônely  Randrianarivelo Anicet, kaomandan’ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga .  

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT