Sosialy

Krizy sy loza voajanahary Mandalo eto ny Kaomisera Eoropeanina


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Mitsidika an’i Madagasikara nanomboka omaly hatramin’ny raharampitso 9 martsa 2023 ny Kaomisera Eoropeanina momba ny fitantanana sy fandrindrana krizy Janez Lenarčič.

Isan’ny hotsidihiny ny Fondation Akamasoa an’I Mopera Pedro etsy Andralanitra ary hisy ny fihaonana eo amin’ny sy ny Talen’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny Rantsana momba ny fiarovana sy ny fitantanana ny hamehana (CPGU). Hidina ifotony any amin’ireo faritra nolalovan’ny rivodoza tamin’ny 2022 sy tamin’ity 2023 ity ihany koa, dia any Fitovinany sy Vatovavy, ka hihaonany amin’ireo manam-pahefana any ifotony, ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mponina any ifotony, fa indrindra ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka ireo tetikasa momba ny maha olona sy ny fampandrosoana, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola. Eto Madagasikara, ny Vondrona Eoropeanina no voalaza fa nitondra setriny betsaka indrindra tamin’ny tohana momba ny maha olona niatrehana ny hamehana sy fiomanana tamin’ny haintany tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy. Ny taona 2022, voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 19,9 tapitrisa euros no tohana momba ny mahaolona nentiny, raha toa ka 12 tapitrisa euros ny taona 2021.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT