Sosialy

KRIZY Efa miantraika anaty vilany


  • Talata 29 Oktobra 2019

Tsy lainga fa efa tena miantraika hatrany anaty vilany mihitsy ny krizy lalovan’ny firenena ankehitriny.

 

 Taorian’ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro mantsy dia niaka-bidy  ihany koa ny hena eny an-tsena,  efa ho herinandro izao. Ny henan’omby no tena voakasik’izany. Ho an’ny hena mifangaro  dia lasa 14.000 Ar ny iray kilao raha 13.000 Ar teo aloha. Ho  an’ny toton-kena indray dia tafakatra 15.000 Ar ny iray kilao raha 14.000 Ar teo aloha. Tsy latsa-danja amin’izany ny filet na ny nofon-kena malemy izay lasa 18.000 Ar ny iray kilao raha 17.000 Ar teo aloha… Noho ny tsy fisian’ny omby hamidy any ambanivohitra  alefa hovonoina no nambaran’ny iray tamin’ireo mpivaro-kena etsy amin’ny pavillon Analakely fa antony. Efa manomboka miasa tany miatrika ny fambolena avokoa mantsy ireo tantsaha mpamokatra ankehitriny, hoy izy ka hampiasainy avokoa ny ombiny. Vokany, tsy mahalafo afa-tsy hena 40 ka hatramin’ny 50 kilao isan’andro intsony ny mpivarotra iray amin’izao raha nahatratra 60 ka hatramin’ny 70 kilao teo aloha. Nihena ho fahefany sy antsasany mantsy sisa ny hena voavidin’ny tokantrano tsirairay ankehitriny fa tsy misy intsony ireo maka amin’ny kilao toy ny teo aloha. Tsiahivina moa fa niaka-bidy ihany koa ny anana sy ireo karazana legioma toy ny karaoty eny an-tsena. Tsy hihinan-kanina intsony noho izany  ny  vahoaka madinika raha mitohy izao. Ny tsy fandriampahalemana mamely, ny fitohanana mandreraka, ny asa mafy nefa mbola tsy taka-bidy ihany koa ny hanin-ko hanina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT