Sosialy

Krizin-tsolika Manomboka velon’ahiahy ireo taksiborosy sy kaoperativa


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Noferana ho 50.000 ariary ny fatran’ny gazoala ho an’ireo taksiborosy sy mpajifa iray,

 

 

 

raha 15000 ariary kosa ho an’ny moto ary 20.000 ariary ho an’ny fiara madinika sy ny fiarakaretsaka. Araka ny fanazavana voaray anefa, dia noho ny tsy fisian’ny solika tato anatin’ny andro vitsy izay, dia nijaly tamin’ny fitadiavana izany tany amin’ny mpaninjara solika, ireo fiara fitaterana rehetra, eny fa hatramin’ireo taksiborosy mankany amin’ny faritra. Noferana ny solika tokony ho an’ny mpanjifa iray, ka manahy ireo mpandeha any amin’ny faritra sao tsy tonga any amin’ny toerana na any amin’ny faritra halehany izy ireo. Eo koa ireo kaoperativa mampiasa an’ireo taksiborosy ireo, satria, raha sanatria, ka tsy afaka miasa ireo fiara ireo, dia tsy afaka miasa na mitondra vola mody koa ireo mpanera na ireo « guichetier ». Hatramin’ny talata lasa teo, raha ny hita tamin’ireo toby mpaninjara solika, dia mbola nilaharana ny fakana solika ary niteraka fitohanan’ny fiara lavareny raha ny hita teny Antsakaviro sy Ankadimbahoaka iny.

Sitraka r.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT