Sosialy

Krizin-drano sy kere any Tsihombe Mamerina mamatsy rano ny UNICEF


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Ho fiatrehana ny tsy fahampian-drano vokatry ny haintany mahery vaika any amin’ny distrikan’i Tsihombe dia manohana ny Minisiteran’ny Rano ny UNICEF ary mamerina ny famatsian-drano vonjimaika amin’ny alalan’ny kamiao

sy mizara fitaovana fanadiovana ho an’ireo fianakaviana any an-toerana, araka ny fampahafantarana nataony. Tokantrano miisa 138 ao amin’ny Kaominina Nikoly no voalohany nahazo izany fanohanana izany. Tena mahery vaika ny haintany sy ny kere any Atsimo, ary efa tena mamono olona, raha ny fanamarihana. Vao andro vitsy moa izay no efa naneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny Minisitry ny rano teo aloha Ladislas Adrien Rakotondrazaka fa mahatratra 7000Ar isaky ny bidon 20L ny rano any amin’ny distrikan’I Tsihombe, izany hoe manome 350 000Ar/m3, raha toa mividy 415 Ar/m3 ny “Tranche” voalohany ary 1155 Ar / m3 ny “Tranche” faharoa ho an’ny tanàn-dehibe misy Jirama. Rano tonga anaty robinet anaty trano io vidiny mora io, fa ny 7000 Ar/20 litatra ilay manome 350 000 Ar/m3 dia mbola tsy ao anaty trano, hoy io minisitra teo aloha io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT