Krizin-drano lava

Nitroatra ihany koa ny vahoakan’Anjanahary


  • Talata 11 Jona 2024

Taorian'ny teny Andraisoro, Amboditsiry, Faravohitra, hatrany Alakamisy Fenoarivo, Ankadifotsy,…

ary vao ny faran’ny herinandro lasa teo ny tetsy Andravoahangy, dia nidina an-dalambe ihany koa ny alina teo ny mponin'Anjanahary noho ny fahatapahan-drano lava. Tsy mivaha ny olana na eo aza ny fanairana samihafa, tonga hatramin’ny fidinana an-dalambe, saingy andiana mpitandro filaminana zavon-tany aloha no tena vahaolana aroson’ny mpitondra hifehezana ny fahatezeram-bahoaka. Iray volana lasa tahaka izao moa no efa nitaterantsika teto amin’ny Tia Tanindrazana, fa mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao noho ny olana samihafa, ka miteraka ny tsy fahampian-drano amin’ny faritra maro. Tena ny filàna mihitsy no tsy ampy kanefa, ùiverimberina matetika ny fahasimbana noho ny fahateran’ny fantsona, famokarana miankina amin’ny herinaratra, ny fihenan’ny rano indrindra rehefa. Mahatratra 36% amin’ireo fokontany eto Antananarivo no mijaly rano amin’ny ankampobeny tsy misy raha tsy ny alina, ka ny 4% no faritra mena izany hoe : tena tsy misy rano mihitsy na andro na alina, raha 32% kosa ny faritra mavo izay tsy misy rano raha tsy amin’ny alina. Ny aprily 2024 teo dia tafakatra 49% ny faritra mavo tsy misy rano afatsy amin’ny alina, ary 18% ny faritra mena, raha ny voafaritra anaty dosie stratejikan’ny Jirama. Tsy maintsy miditra amin’ny vahaolana vonjimaika hampitonitoniana ny zava-misy (Tsy misy fampiasam-bola lehibe) fa fampifandimbiasana ny fandefasana ny rano amin’ny alalan’ireo « vannes » miisa 9 ; fampiasana kamio citerne izay 3 eo no ahetsika ho an’ny bonbonnes 170 ; fametrahana « hydrophore » mampiakatra rano eny Ambaniala, Antanetibe Ilafy izay mitentina 0,2Miliara Ar izay maharitra 3 volana eo ; fanovana ireo fantsona efa tena antitra eny Amboditsiry izay mitentina 0,5 miliara Ar ary maharitra 2 volana ; fanadiovana ny arafesina eny Ampirika mitentina 0,2 miliara Ar maharitra 3 volana,… araka ny notaterina tamin’izany. Dia ireny iaraha-maheno ireny ny seraseran’ny Jirama eo anatrehan’ny fahatapahana samihafa. Tena tsy misy vahaolana sa ny Fanjakana no variana any amin’ny zavatra tsy tena maika toy ny teleferika sy ireo sehoseho ivelany na fandanindaniam-poana samihafa ? Izao ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT