Krizin-drano eto Antananarivo

Tsy mba misy tetikasa hamahana azy mihitsy ve?


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Vao maraina dia efa nandeha ny fandrehetana afo nanakanana ny arabe nentin’izy ireo nanehoany ny tsy fahafaliany sy itakiany vahaolana maharitra. Milaza mantsy ireo mpianatra fa tena mijaly rano ny eny Ankatso I sy Ankatso II, misy fotoana tapaka adin’ny roan a adin’ny telo, dia miverina kely, dia avy eo no tapaka indray. Amin’ny 11ora alina no mifoha, amin’ny 1ora maraina vao mahazo rano. Vokany, lasa tsizarizary hatramin’ny fianarana. Tsy ny eny Ankatso ihany, fa saika manerana an’Antananarivo io olana io. Teo ny fitanisana ireo olana ara-teknika, fahasimban’ny fitaovana, olana amin’ny fantson-drano,… fa ny tena zava-misy dia efa olana mandavan-taona satria tsy mahasehaka ny habetsahan’ny mponina intsony ny tosiky ny rano. Tany am-pananganana ny fotodrafitrasa dia mety sahaza ho an’olona 5 hetsy ka hatramin’ny 1 tapitrisa, kanefa ny mponina an-drenivohitra sy ny manodidina efa manodidina ny 3 tapîtrisa na mihoatra ohatra. Tsy tena misy ny tetikasa fametrahana toby fanadiovan-drano hanampiana ny efa misy. Nanomboka tany amin’ny 2010 no tonga ny krizin-drano mahery vaika satria tahaka io atao amin’ny jiro io ihany hoe: mihazakazaka ny fampidirana any an-tokantrano kanefa ny famokarana tsy miova, ny fitantanana miha tsy mahomby. Ilay toby famatsian-drano tetsy Amoronankona By Pass tany amin’ny 5 taona lasa no tetikasa isan’ny tsaroana faramparany fa mby aiza? Tena mandeha ve ilay izy amin’izao? Inona no tetikasa hafa hahafahana manampy ny famatsian-drano fa tsy hiaina serasera sy fialana bala lava miampy ny “tip top” lava toy ny fampiasana “bombonne” izay tsy tena mahomby satria tsy maharaka ny filan’ny olona, ary tsy mahava ny olan’ireo any an-tokantrano izay tsy mitsahatra mitomboka ny faktiora.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT