Krizin-drano anatin’ny Boriborintany V

Nigrevy ihany koa ny vahoakan’Analamahitsy


  • Zoma 05 Aprily 2024

Toy ireo faritra sy fokontany sasany teto an-drenivohitra, dia raikitra ihany koa ny fihetsiketsehana

nataon’ny mponina teny Analamahitsy omaly takariva. Nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana nentina nanehoana ny tsy fahafaliana eo anatrehan’ny tsy fisian-drano. Ny seraseran’ny Jirama afak’omaly moa nilaza fa tsy ampy 1000m3 isan’ora ny tosiky ny rano ka miteraka fikorontanan’ny famatsiana. Efa saika olana mandavan-taona kosa ny tsy fisian-drano amin’ny faritra maro, ary tsy misy angamba fokontany tsy ahitana « bidon jaune » mitandavana. Vidiana manodidina ny 1000-2000Ar ny iray bidon 20L amin’ny toerana sasany, raha toa ka eo amin’ny 400 sy 500Ar kosa ny eny amin’ny fokontany sasany. Raha ny eto Antananarivo niaraha-naheno ny grevy tao anatin’ny telo andro dia ny teny Ankatso sy Antsahameva anatin’ny Boriborintany faharoa, fa ny isan’ny hisiana fitarainana sy grevy matetika indrindra dia ny ao anatin’ny Boriborintany fahadimy, toa an’Andraisoro, Tsarahonenana, Ampandrianomby,… dia io ihany koa ny teny Analamahitsy. Asa raha mba hitan’ireo solombavambahoaka satria isan’ny re foana amin’ny haino aman-jery ny depiote iray amin’io boriborintany io, saingy tsy mba re tsaika amin’ny resaka olam-bahoaka tahaka itony. Firifiry amin’ireo depiote mpihoby fitondrana no mitondra fanairana sy manery ny mpanatanteraka hitondra vahaolana maharitra eo anatrehan’ny olana sosialy tahaka itony ? Moa tsy ny nilaza ny marina indray no naongana ? Ho avy ny fifidianana dia hosarontsaronana amin’ny koveta sy fanomezana tsy mahavita taona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT