Sosialy

Krizim-bary Ho mafy be ny fiantraikany afaka volana vitsy


  • Zoma 22 Janoary 2021

Hihamafy ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ity taona ity. Ny famokarana tsy mandeha amin’izay laoniny,

 

 

 


 ny vidim-piainana tena miha midangana hatrany. Hampijaly ny vary, indrindra fa amin’ny taom-pahavaratra ho avy eo. Any amin’ny faritra maro mpamokatra vary amin’izao tsy mbola misy fanetsana mandeha satria ritra tanteraka tsy misy rano. Any amin’iny faritra Alaotra, ohatra, dia vary avy amin’ny Renivohitra no efa hampidinina any amin’ny faritra Ambanivohitra. 650Ar ny vary tranainy, ary 700Ar ny vary vao, izay vary aloha miakatra. Tany aloha, teo amin’ny 200 000 taonina isan-taona teo ny tsy fampiana ara-bary ho an’iMadagasikara, niakatra ho 500 000 taonina tany ho any ny taona 2020. Io iaraha-mahita io ny efa fidangan’ny vidim-bary, ary raha efa ny 4 desambra no nilazana sy nanomezana baiko fa mihatra manomboka ny 5 desambra ny famerana ny vidiny tsy hihoatra ny 550Ar ny kapoaka, saingy tsy tanteraka. Nambara fa ny vary 25% de brisure nafarana indray no amin’io vidiny io. Toa miovaova hatrany ny serasera, lazaina fa efa tonga ny vary, lazaina fa efa miparitaka eny amin’ny tsena, ambara fa ho tonga ny 22 janoary ny 7000 taonina,… Tsy misy fiantraikany eny an-tsena ny vary nafaran’ny mpitondra hatreto. Manam-bola sy ampy amin’ny fanafarana ahafahana tena mandrakotra ny tsena ve isika afaka volana vitsivitsy satria tsy maintsy hitombo ny filàna? Ny resaka sandam-bola miha mitotongana, ny vola vahiny hividianana sy hanafarana entana azo erirtreretina ho tsy misy firy, na koa misy fa any amin’ny fotodrafitrasa no hampiasana vola eto. Mampanahy ny hisian’ny krizy lalina, ary tsy manana politika mazava sy tsy mivaky loha amin’ny resaka toekarena ny Fitondrana, fa ny resaka velirano hanao tanamasoandro, kianja olaimpika,… aloha no maika amin’izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT