KRiIZY ARA-TSOSIALY

Hahita raharaha amin'io ny fanjakana...


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Tokony hampieritreritra lalina ary hahatonga saina ny mpitondra fanjakana ny zava-nitranga omaly teny Ampandrianomby.

Nitondra bidao sy nandoro kodiarana teny amin’ny arabe ireo mponina eny Fort Duchesne-Tsarahonenana-Ampandrianomby, nanao hetsika fanairana ny mpitondra manoloana ny tsy fisitrahan’izy ireo ranon’ny Jirama efa fotoana naharitra tamin’iny faritra iny. Voalaza fa tafakatra 1000 Ariary ka hatramin’ny 5000 Ariary ny vidin’ny rano iray bidao 20L, noho ny tsy fisian-drano. Mpitandro ny filaminana maro no tonga teny an-toerana nahafahan’ny fiara nifamoivoy. Tsy nisy hoe fanentanana be ma resaka politika fa tena ny olom-pirenena leon'ny fihafiana lava no nijoro sy midina an-dalambe. Rano tapaka lava kanefa ny faktiora midangana hatrany, tahaka ny herinaratra ihany. Efa tena fiheverana anay ho bado kosa izany hoy ireo mpanjifan'ny Jirama. 5 taona nanaovana resaka teoria be sy fihetsiketsehana mandalo dia miserana fa ny vokatra dia krizy ihany ny rano. 5 taona izany tsy voavaha ny olana. Miteraka fahatezerana sy fahasosorana ho an'ny olona izany ka mahatonga azy manao tahaka an'io teny Ampandrianomby omaly io, ary ahiana hiitatra satria maro ireo faritra mijaly rano. Amin'ny fomba ahoana kosa moa no iainana mandavan-taona ny hoe tsy maintsy amin'ny 1 ora maraina no manangon-drano isan'andro.Tena sarotra ary miteraka faharerahana ho an'ireo mpianatra sy mpiasa. Hita tamin'ny fihetsik'ireo vahoaka teny Ampandrianomby fa ho sahirana ny fitondram-panjakana raha tsy mahita vaholana faran'izay haingana fa tena tsy hanaiky mora foana ny olona, indrindra moa fa mbola nalefa teny indray ny mpitandro filaminana. Tsy emmoreg no ilainay, fa rano hoy ny vahoaka.Efa tandindona krizybsy fikorontanana sosialy ireny ka tokony hikarohana vahaolana mahomby fa tsy ilay resaka tapi-maso mahazatra ireny no atao.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT