Sosialy

Kraomita Malagasy Tsy nandray karama 5 volana ireo mpiasa


  • Zoma 22 Mey 2020

Mpiasa maro eo anivon` ny Kraomita Malagasy no nilanja sora-baventy teny amin` ny CCI Ivato ny alarobia lasa teo, toerana izay hisian` ny fivoriana ara-potoan` ny depiote.

 

 

 

 

 

 Dimy volana no tsy nandray karama ireo mpiasa eo anivon` ity orinasa ity ary maherin` ny 700 izy ireo no voakasik`izany eto Antananarivo. “Mafy izany amin`ny maha olona. Hetsika hitanay mandona ny fitondrana ny fijoroana izao amin` izao fivorian` ny Antenimieram-pirenena izao” hoy Ralimanana Mario, delegen` ny mpiasa. Manana ny maha izy azy ny orinasa Kraomita Malagasy ary sty tokony hisy ny olana ara-bola.Misy ihany koa ny fanavahana eo amin`ny samy orinasam-panjakana “Natanjaka hatramin` izay ny orinasa ary anisan`ny nanampy ny firenena tamin`ny lafiny maro. Ohatra ny fanamboarana ny Rova na koa sekoly maro izay noraisinay ny fanamboarana. Mitovy sata amin`ny Kraomita ny Air Mad kanefa maninona izy no hampiana? Nefa mbola ambony lavitra ny mari-karama raha oharina amin` ny kraomita. Mbola tsy nisy coronavirus no mbola tsy nandray karama izahay”. Efa maro ireo dingana natao saingy tsy nahitam-baliny: taratasy nalefa tany amin`ny praiminsitra sy ny filoham-pirenena. Fihaonana tamin` ny ministry ny harena an-kibon` ny tany mivantana. Marihana fa samy manana ny hetsika fanairana kosa ny eto Antananarivo sy any Brieville ary tsy misy hifandraisana amin`ny fitakiana ny fialan`ny tale jeneralin` ny orinasa izao hetsika izao.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT