Sosialy

Kraomita Malagasy Raikitra ny sakoroka tao Brieville


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Nafampana ny toe-draharaha tany amin’ny orinasa Kraomita Malagasy any Brieville Tsaratanàna omaly.

 

Gaga ny mpiasa nahita ny kamio tonga hamoaka “chrome”, ka nitaky ny fahazoan-dàlana. Efa tao anatin’ny andro maro rahateo izy ireo no nitaky karama satria voalaza fa 12 volana be izao no tsy nisitraka izany. Manakana ny famoahana vokatra ataon’ny APC, izay orinasa isan’ny niteraka adihevitra ny fampidirana azy tao amin’ny Kraoma ireo mpiasa. Ny 25 novambra lasa teo dia efa nisy ny feo nandeha hoe: miala any Andriamena ny kamio miisa 3 mitondra mpiasa maro be ho avy hamaky barazy. Manaova raha sahy, hoy ny mpiasa teo anatrehan’io resaka io. Nanao sakana rahateo ireo mpiasa eo anatrehan’ny fitakiany. Nisy kamio tonga tokoa, saingy omaly 29 novambra. Niantrana ihany koa ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fanapariahana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Manodidina ny 10 ireo naratra. Hatry ny ela ny nisian’ny olana, saingy tsy misy ny vahaolana. Niafara tany amin’ny fampiasan-kery ka asa izay ho tohiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT