Komity iombonan'ny mpiasa malagasy

"Atao mahita ny fitondrana rehefa tsy mihaino!"


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Atao mahita ny fitondrana rehefa tsy mihaino, hoy ny KIMM na Komity iombonan'ny mpiasa malagasy,

raha nanao fanambarana tetsy amin'ny Tsiky Restaurant Ambohijatovo omaly. Ho hitan'izy ireo tokoa amin'ny faha 7 septambra izao eny Antsahamanitra, hoy ny KIMM, fa marary tokoa ny tontolon'ny asa eto Madagasikara izay voa 3 fa tsy voa 2 intsony satria voa amin'ny resaka karama, voa amin'ny resaka fitaterana ary voa amin'ny resaka tsy fandriampahalemana. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara. Mahantra ny mpiasa malagasy. Tonga ny fotoana hametrahana ny mpiasa malagasy amin'ny toerana mendrika sy sahaza azy. Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataony ny 2 aogositra 2024, ny KIMM, izay ahitana ireo sendikan'ny mpiasa miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana, ny mpiasa mahaleotena, ny tantsaha, ny tsy an'asa, ny mpanjifa, ny mpiasam-panjakana misotro ronono ao amin'ny CNaPs dia hanatanteraka fihaonamben'ny mpiasa malagasy ny sabotsy 7 septambra 2024 izao eo amin'ny Kianja maitson'Antsahamanitra manomboka amin'ny 9 ora maraina. Hatokana ho an'ny mpiasa iraimanontolo ny sehatra mba hanambarany ny marary azy any amin'ny toerana iasany sy hanolorany izay sosokevitra sy vahaolana mifanojo amin'izany. Ny mpandrindra no mandravina ny fehinkevitra. Hatsangana ny delegasionina ahitana solontenan'ireo mpivondrona rehetra. Io delegasionina io no mitondra ny fehinkevitra any amin'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, ireo mpiara-miombon'antoka toy ny banky iraisampirenena, ny FMI, ny vondrona eoropeanina, ny firenena mikambana, ny PNUD. Mila mijoro ny mpiasa malagasy ary asaina ho tonga maro eo Antsahamanitra ny sabotsy 7 septambra izao. Tsy mety ny miandry ny hafa hitolona ho anao fa mandraisa anjara feno ho anao sy ny hoavin'ny taranakao, hoy hatrany ny KIMM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT