hifanome tànana amin’izao voina izao»
Nankahery ny traboina sy naneho fiaraha-miondrika amin’ireo namoy havana ny Filoham-panjakana. Naneho fa miezaka manao izay azo atao ny Fanjakana, ary miantso ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy Malagasy na misy ihany koa aza ny antso avo hatao amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny tenany izay niditra an-tsehatra mivantana efa 3 andro omaly tamin’ny fandrindrana sy ny fiatrehana ny zava-misy nanehoana fa miray fo sy manao ny fomba hanampiana ny Malagasy traboina ny Fanjakana. Niditra an-tsehatra hatrany amin’ny fihaonana sy fandresena lahatra ireo « quincaillerie » ao Toamasina mba hitsinjovana ny vahoaka amin’ny vidin’ny tafo « tôle » moa ny Filoham-panjakana, ka ny Fanjakana no handoa ny elanelam-bidy eo amin’ny fampihenana ny vidiny. Tsy miafina amintsika rehetra, potika hatrany amin’ny 75% ny tanànan’i Toamasina, hoy izy izay niandry angidimby niazoana an’i Toamasina II sy ny toerana hafa hijerena ny fiatrehana ny zava-misy. Nisy ny antso avo nataon’ny Filoham-panjakana amin’ny samy Malagasy, ka nilazany fa tsy voatery ny avy any ivelany foana no hijery antsika vao afaka mifanampy, fa afaka mifanampy isika samy isika. Zavatra isan’ny tena ilaina maika ho an’i Toamasina dia ny sakafo, entana ilaina andavanandro na ny PPN hanampiana ireo traboina, ny tafo sy simenitra ary hazo izay hahafahana manarina sy manorina maika ny fahavoazana tao Toamasina sy ny manodidina azy. Nisy ny filankevitry ny minisitra nampitain-davitra omaly takariva nijerena ihany koa ny fanaovana fanambarana iantsoana fanampiana amin’ireny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena fa tsy ho vitan’i Madagasikara irery ny zava-misy. Ho an’ny Jirama, tsy ampy ny mpiasa any Toamasina izay notsorin’ny Filoham-pirenena fa raha ireo ihany dia mety ho herinandro iray na roa vao mety ho tafaverina tanteraka ny famatsiana herinaratra rano sy herinaratra, ka tokony hisian’ny mpanampy na « renfort » hanafainganana ny fanarenana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.