KOLO AINA andiany faha-3

Hiarahan'ny mpiasa sy mpampiasa eny an-kianja


  • Alarobia 17 Jona 2026

Hiala kely ny birao sy ny fikirakirana

atotan-taratasy, ny fitazonana milina, ny familiana fiara na ny fiasan-tsaina samihafa ny mpiasa ka hiaraka eny an-kianja indray ny mpiasa sy ny mpampiasa maro ny 20 sy 21 jona 2026 izao, mandritra ny KOLO AINA andiany faha-3, haneho ny fahaizamanaony amin’ny lafiny ara-panatanjahantena. Eny Mahamasina no hotanterahina ny lalao rehetra, ahitana baolina kitra, baskety ary tsipy kanetibe. Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny asa mendrika eny anivon’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny zo fototra sitrahan’ny mpiasa rahateo ny fitandroana ny soro-doza sy ny tandrim-pahasalamana eny am-perin’asa, ka antoka iray hahazoan’ny mpiasa tontolo mirindra ny fananany fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana ny KOLO AINA.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT