Sosialy

Kolikoly ara-nofo Tena misy kanefa tsy dia resahana firy, hoy ny Bianco


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Notontosaina tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina ny atrikasa momba ny atao hoe kolikoly ara-nofo, izay notarihin-dry zareo avy eo anivon’ny birao mahaleotena miady amin’ ny kolikoly eto amintsika na ny Bianco omaly.

 

Raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ity birao ity dia tsy a resahana firy eto amintsika io lafiny io kanefa itrangany avokoa na lahy na vavy. Na any am-piasana na any an-tsekoly na any amina sehatra maro samihafa dia saika hitrangany daholo. Tsy misy azon’ny Bianco atao afa-tsy ny mandray ny fitarainana mikasika azy io anefa sy manao ny fanadihadiana ihany koa. Ny fitsarana mahefa kosa no mamaritra ny sazy ho an’izay voaporofo fa nitetateta nanatontosa izay kolikoly ara-nofo izay. Fampiasana ny vatana hanomezana fahafinaretana ny hafa mba hahazoan’ny tena asa na tombontsoa raha fintinina tsotsotra ny atao hoe : kolikoly ara-nofo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT