Sosialy

Kitapo, kiraron’ny ankizy Niakatra avo roa heny ny vidiny


  • Talata 18 Jolay 2023

Mbola tsy migadona akory ny volana aogositra vanim-potoana tena fividianan’ny olona fitaovam-pianarana dia efa midangana tsy hita eritreretina ny vidin’izany eny an-tsena.

Ankoatra ny fitaovam-pianarana izay efa notanterina teto dia niakatra avo roa heny ihany koa ny vidin’ny kitapon’ny ankizy. Raha novidiana 40.000 na 50.000 Ar ireo misy kisary toy ny Barbie… tamin’ny taon-dasa ho an’ireo zazavavy kely dia efa tafakatra 80.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar ny tomban’izany eny an-tsena. Nambaran’ireo mpivarotra fa ny entana hatrany am-potony mihitsy no miaka-bidy. Toraka izany koa ny eny amin’ny karana toy ny hita eny Tsaralalana. Raha 30.000 Ar no nividianana kitapon’ankizy iray tamin’ny taon-dasa dia lasa 50.000 Ar ankehitriny…Ho an’ny kiraro raha mba te-hividy ireo karazana tennis marika tsaratsara dia efa mahatratra 120.000 Ar ihany koa ny iray…Velon-taraina avokoa ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny manoloana izany. Tsy vitsy ireo tsy mihevitra ny hivoaka an’Antananarivo mba hiala sasatra kely manoloana izany noho ny habetsaky ny vola tsy maintsy tadiavina.
Pati
Legende : Midangana ny vidin’ny kitapo eny an-tsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT