Sosialy

Kit TV Solaire azo aloha tsikelikely Tolotra vaovaon'ny Canal+ sy ny Baobab


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Namoaka tolotra vaovaobe ny Canal plus Madagascar. Hisy ary azo raisina eny anivon'ireo toeram-pivarotana mpaninjaran'izy ireo manomboka izao « Kit TV Solaire ».

 Vata fahitalavitra « écran plat 24 pouces » na « 32 pouces » izy io miaraka amin'ny jiro miisa 4 mahaleo tena, batery azo hampidirana clé Usb, miampy « decodeur » iray, « parabole » iray ary panneau solaire manana tanjaka 50 watts. 29.750 Ar monja no lelavola aloha amin'izany isan- kerinandro izany hoe : azo aloha tsikelikely. Fanampin'ireo izay tsy kely akory dia tsy mandoa abonnement mandritra ny 2 taona ihany koa ireo izay mandray anjara amin'izany raha maharitra 2 taona ihany koa ny fahafahana mandoa ny vidin'ireo fitaovana ireo. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Canal plus sy ny banky Baobab no hahafahana manatanteraka izany. Ho an'ny Canal plus manokana dia miis 71 ireo chaines sy radio azo jifaina ao aminy amin'ny alalan'ilay bouquet tongasoa. Hisy ihany koa ny chaines manokana izay natokana hanabeazana ny ankizy rano fotsiny. Tombony goavana amin'ity tolotra ity moa ny hahafahan'ireo mpanjifa mijery vata fahitalavitra hatrany na dia tapaka aza ny jiro. Hahazo tombony manokana araka izany ireo mponina any ambanivohitra tsy mbola misy herinaratra
Pati
Legende : Hanampy ny isan-tokantrano amin'ny ady amin'ny delestazy ny fananana ireto fitaovana ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT