Leo ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny Malagasy. Tsy mijanona amin’ny fandrobana sy ny halatra madinika intsony mantsy izany fa mihafara amin’ny hala-jaza, ny fakana an-keriny, ny vono olona… mihitsy.
Niara-naneho ny heviny omaly ny rehetra taorian’ny fanentanana nataon’ireo fiaraha-monim-pirenena, ny orinasa, ny fikambanana maro samihafa. Nanomboka tamin’ny 12 ora tsy diso izany ary saika tsy nifarana raha tsy tamin’ny 12 ora sy sasany. Samy nampaneno kipantsona avokoa ny fiara rehetra nanomboka tamin’ny fiaran’olon-tsotra ka hatramin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nivoaka nitsioka kirioka daholo ihany koa ireo mpiasa teny anivon’ny orinasa toy ny nitranga teny Ankorondrano raha tsy latsa-danja tamin’izany ireo olon-tsotra mpivarotra sy nandeha teny an-dalam-be. Mino izahay hoy ireo mpikarakara izay nahitana ny fivondronan’ireo tera-tany Indiana eto amintsika fa handray ny andraikiny amin’izay ny fanjakana ka hiroso amin’ny fifampinidihana. Vonona izahay hoy izy ireo hifampidinika ary efa manana vahaolana mifandraika amin’izany. Tsiahivina moa fa niteraka fitohanana goavana teny Ankorondrano mihitsy ny fisian’ity hetsika ity, niainga teny amin’ny Jumbo score ka hatreny amin’ny Henri Fraise. Toraka izany koa ny teny Analakely, Mahamasina… izay tena nampihetsika ny hambom-pon’ny olona tokoa.Ho sahirana ihany ny mpitondra fanjakana amin’ny manaraka eo raha mbola tsy mikaroka vahaolana amin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.