KILAON’NY HEN’OMBY

Tafakatra 20.000 Ar latsaka eny an-tsena


  • Talata 19 Martsa 2024

Tafakatra 20.000 Ar latsaka ny iray kilao amin’ny hen’omby amin’izao eny an-tsena.

4800 Ar ny fahefany izay nambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy fa tsy izy ireo akory no manararaotra. Efa niakatra hoy ny mpamono omby iray ny saran’ny fitaterana ny omby miala any Tsiroanomandidy sy Ambalavao Fianarantsoa miakatra eto Antananarivo. Vokatry ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja fanamboarana fiara no nambarany fa anton’izany raha eo ihany koa ny haratsian-dalana. Ankoatra izay hoy izy dia efa mihena ihany koa fa tsy betsaka toy ny teo aloha intsony ny omby vonoina eto an-drenivohitra. Zara raha mahavidy hen’omby antsasany isan-kerinandro sisa ny fianakaviana iray vokatr’izany. Tsy mijanona eo amin’ny resaka hen’omby ihany io fiakaram-bidin’ny entana eny an-tsena io fa anisan’ny nahitana izany ihany koa ny legioma. Efa tafakatra 4.000 Ar ny iray kilao amin’ny tongolobe amin’izao eny an-tsena, 4.000 Ar ny karaoty raha 3.500 Ar ny haricot vert. Efa mahatratra 2500 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny ovy. Tsy misy izay tsy mitaraina ny mpanjifa vokatr’izany.
Pati
Legende : Efa tsy hihinan-kena intsony ny vahoaka Malagasy atsy ho atsy noho ny fidangan’ny vidiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT