Kilaom-bary ao Fianarantsoa

Efa tafiakatra 4000 Ariary ny eny am-potony


  • Talata 07 Janoary 2025

Efa tafiakatra 4000 Ariary ny eny am-potony amin’ny kilaom-bary ao Fianarantsoa,

raha ny fampitam-baovaon’ny zanatany nandalo tany an-toerana omaly. 1200 Ariary ny 1 kapoaka, hoy izy, nefa tena fomba fiteny ny hoe Fianarantsoa be tanimbary. 1300 Ariary fara-faha morany kosa izany tonga eny an-tsena. Efa miherina sahady ity ny volana janoary nefa tsy mbola misy orana latsaka hatramin’izao. Mbola tsy misy manetsa vary ihany koa ireo tantsaha, raha ny hita eto Antananarivo sy ny manodidina aloha hatreto. Ahiana mafy, araka izany, ny krizim-bary eto amin’ny firenena. Sanatria vao mainka ho vonoina amin’ny fanafarana koa ve ny tantsaha malagasy? Fanontaniana isan’ny mipetraka koa izany etsy ankilan’izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT