Sosialy

Kilalaon’ny ankizy any ivelany Efa misy tonga eto amintsika ireo karazany avo lenta


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Tsy ho latsa-danja amin’ny any ivelany intsony isika eto Madagasikara raha ny resaka kilalao ho an’ny ankizy no jerena. Nanokatra toeram-pilalaovana goavana, indrindra eto Madagasikara mantsy ny Centre commercial Akoor digue eny Andohatapenaka.

 

 Nampitondraina ny anarana Milalao izy io, natao ho an’ny fianakaviana, ny mpifankatia ary  ny mpinamana mba hialana voly, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny zoma  07 desambra ho avy izao no hosokafana amim-pomba ofisialy izany. Manomboka amin’ny 2.000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar ny fandraisana anjara. Amin’ny alalan’ny karatra no hahafahana mandray anjara amin’ny kilalao ary iny hatrany no hampiasaina rehefa mandalo eny an-toerana. Afaka milalao ihany koa ny olon-dehibe,  satria dia karazan-dalao miisa 25 no ho hita eny an-toerana. Misy ihany koa ireo natokana ho an’ny ankizikely toy ireo any anaty efitrano. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa tsy misy atahorana handratra  ireto kilalao ireto satria dia mahafehy ny fenitra iraisam-pirenena avokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT