Sosialy

Kilalao mampidi-doza eny an-tsena Ankizy telo no efa nampidirina hopitaly


  • Talata 18 Jona 2019

Ahitana karazana kilalao mampidi-doza miparitaka eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao.

 

 

Zaza telo samihafa  no kendan’izany ka voatery naiditra tao amin’ny hopitaly CENHOSOA eny Soavinandriana ny herinandro teo. Araka ny fanavazan’ny sampandraharaha misahana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia latsaky ny enin-taona avokoa ireo zaza ireo, nifanesy  naiditra hopitaly tao anatin’ny telo andro. Kenda avokoa izy ireo ary tsentsina ny taovam-pisefoany vokatr’ilay kilalao nolalaoviny. Mety hitarika fandidiana amin’ny tratra ny fampiasana ity kilalao ity raha sanatria ka tafiditra any anaty tenda sy tratra ilay singa madinika ao anatiny, raha  ny fantatra hatrany. Miantso ny ray aman-dreny ho mailo sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasika ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Narahin’ity sampandraharaha iray ity torohevitra ho an’ireo ankizy efa mampiasa ity kilalao ity ka sanatria tojo olona ny fanambarana navoakan’izy ireo. Fady ny mikapoka lamosin’ilay ankizy, ny  miandrandra be, ny misotro rano,  ny manainga tanana ambony ary ny manao bouche à bouche. Entina haingana manatona hopitaly kosa ilay zaza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT