Sosialy

KETRIKA.COM Misy entana hatao lavanty manomboka anio


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Hanao lavanty momba ireo karazan’entana maro samihafa ny www. Ketrika.com manomboka anio alakamisy 04 jolay na ilay antsoina hoe : « ventes aux enchères ».

 Anisan’ny ho hita ao ny  vata fahitalavitra Ecran Plat 32’; ny Whisky …. Ny Ketrika no mamaritra ny vidiny farany ambany raha  azon’ireo mpandray anjara amin’ny lavanty atao kosa no manome tolo-bidy mampiakatra ny vidiny ao anatin’ny 10 minitra. Tapitra io fe-potoana io  dia izay nanome tolo-bidy ambony indrindra no mahazo ilay entana. Tsiahivina fa vaovao ary tena izy avokoa ny entana ao amin’ny Ketrika.  Miainga amin’ny vidiny mirary avokoa izy ireo. Ao  anatin’ny tranonkala Ketrika.com ihany no hahafahana mandray anjara amin’ity lavanty ity fa tsy ho azo atao ny manome tolo-bidy any  amin’ny tambajotram-pifandraisana Facebook na amin’ny alalan’ny antso an-tariby. Ampahatsiahivina isika fa misy “modules” maro ny tranonkala www.ketrika.com ka misy karazan-dalao toy ny “défis en ligne”sy “jeux sportifs” koa ao ankoatra ny “ventes au enchères” na ny lavanty.  Mba ahafahana mandray anjara amin’ireo rehetra ireo dia tsy maintsy misoratra anarana. Maimaimpoana ny fisoratana anarana ao amin’ny  tranonkala www.ketrika.com. Tsy maintsy manana “jetons” kosa vao afaka milalao ary amin’ny alalan’ny Mobile Money no ahafahana mividy “jetons”. Arahina avokoa ireo toromarika voasoratra izay efa nezahin’ny tompon’andraikina natao mazava tsara.

 

Nangonin’i Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT