Sosialy

Kere sy fahantrana Misy Malagasy mihinana tanifotsy …


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Ireny tanifotsy ireny sisa no atao sakafo any Bekiria, 11 km miala ny tanànan' Ifotaka Faritra Anôsy, raha ny vaovao sy ny sary avy any an-toerana.

 

 

 Mariky ny fahasahiranana sy fahantrana tsy roa aman-tany mahazo ny mponina vokatry ny toe-tany sy ny tsy fisian’ny politikam-panjakana mazava hamahana ny olana. Rehefa nahazo fanairana avy amin'ny mpitondra eny ifotony ry zareo avy ao amin'ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) dia tsy nitaredretra fa nidina nijery ifotony namantatra ny tena marina. Nahita ny tsy fahita izy ireo satria vovoka tanifotsy (kaolin) sy voamadilo no afangaron'izy ireo ary atao sakafo. Miezaka miaritra ny olona matanjaka fa mijaly tanteraka kosa ireo olona marefo sy ny zaza menavava. Noho io toe-javatra io dia hivory ireo tompon'andraikitra ara-panjakana sy ireo voakasika izany anio zoma 02 oktobra, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT