Sosialy

Kere mamono any Atsimo Tena mila asa faran’izay maika


  • Alatsinainy 28 Jona 2021

Miezaka mafy ny Fanjakana mandiso sy manenjika ilay mpanao gazety solontenan’ny TV5 Monde sy ny France 24 eto Madagasikara Rtoa Gaëlle Bourgia noho vaovao niresaka ny fahoriam-bahoaka any atsimo,

 

olona mihinana hoditra hanaovana kapa,… Lazaina fa diso sy manala-baraka an’I Madagasikara sy kolontsainy. Fotoana vitsy taorian’io, nizara ny rohy an-tranonkala maneho ny antso avo tamin’ny alalan’ny Tale mpanatanteraka David Beasley ny Programa manaren-tany momba ny sakafo na ny PAM ny 23 jona teo. Nilaza ity Tale mpanatanteraky ny PAM ity fa vavolombelona nahita ny fahorian’ny olona any Atsimo mba hanamafisana ny hetsika mba hanohanana ny any Atsimo, izay tena lasibatry ny hanohanana ny ankamaroany. 1,14 tapitrisa no miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ary ny 14 000 amin’ireo dia tena tafiditra ao anatin’ny toe-javatra mampivarahontsana, ary mety ho avo roa heny io hatramin’ny volana oktobra. Niakatra avo roa heny ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka MAG (Malnutrition Aiguë Globale) tao anatin’ny 4 volana teo ho eo nahatratra any amin’ny antontan’isa mahonena 16,5%. Mila 78,6 tapitrisa dolara ny PAM hiatrehana vonjimaika ny fanavotana ireo mponina, mba hisorohana ny loza izay natrehinay maso ny zava-misy, hoy i David Beasley. Nohamafisiny tao amin’ny pejy manokany aza, fa mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa fa tena vao mainka niha zava-doza satria niakatra avo 7 heny ny zaza lasibatra ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, haintany, tsy fahampian-drano. Asa faran’izay maika no mila hatao, hoy ny Tale mpanatanteraky ny PAM izay nandalo teto Madagasikara ny tapaky ny volana janoary ity.

NANAO ANTSO AVO NY FILOHA SEYCHELLOIS TEO ALOHA “Maherin’ny 1,4 tapitrisa no manakaiky ny mosary ao amin’ny faritra Atsimon’I Madagasikara. Efa namono zaza an’arivony ny hanohanana. Amin’ny maha Filohan’i Seychelles teo aloha ahy, dia miantso ny rafitra roa eo anivon’ny Firenena Mikambana, dia ny sampan-draharaha maneran-tany momba ny fanjarian-tsakafo sy fambolena (FAO) sy ny Programa ara-tsakafo maneran-tany, mba hanetsika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hanao vonjy aina haingana hanampy an’i Madagasikara sy hiatrika ny krizy momba ny maha olona, izay mila hetsika maneran-tany”, hoy ihany koa ny Filohan’i Seychelles teo aloha Danny Faure ny faran’ny herinandro teo. Handiso ireny ary ve ny mpitondra? Sary tsy tiany havoaka ireny. Efa nanao velirano sy milaza ho miasa ho an’ny any Atsimo izy rehefa nidinika ambony latabatra arahina fandokafan-tena ka ny ankoatra izay tsy izy aminy. Ny vahiny ve no mamorona na manitatra sa ny mpitondra Malagasy no minia manafina sy jamba mbola “miwerawera” eo anatrehan’ny zava-misy ?
Legende: Nahita maso aho ary tena mampivarahontsana ny zavamisy any atsimon’i Madagasikara hoy ny Tale mpanatanteraky ny PAM, David Beasley
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT