Sosialy

Kere any Ikongo Tafiakatra 45 ireo efa namoy ny ainy


  • Talata 08 Novambra 2022

Tafiakatra 45 no maty tao anatin’ny roa herinandro nanateran’ny Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza na BNGRC fanampiana tany Ikongo,

raha ny nambaran’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa tao anatin’ny vaovaon’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly. . Nambaran’io depiote io fa olona 3 nitambotsotra niandry vary ka namoy ka tsy tana ny ainy, ary tafiakatra 45 no efa namoy ny ainy hatramin’izao noho ny kere sy ny hanohanana. Nambarany fa tsy ahafahana mivezivezy ny làlana ka ao anatin’ny 3 andro vao tonga ny fanampiana. Efa ny 14-15 febroary 2022 taorian’ny fandalovan’ny rivodoza nahalasibatra an’Ikongo anefa no nampanantena ny Minisitry ny asa vaventy, fa hamboarina ny làlana kanefa hatramin’izao tsy misy an’izany, hoy ny tatitra ny manam-pahefana. Isan’ny nanenjehan’ny olon’ny fitondrana sasany an’ity depiote ity moa ny fanehoan-kevitra nataony fa ny fanamboarana ireo làlana manerana ny distrika no tokony ho laharam-pahamehana kokoa noho ny teleferika eto Antananarivo. Nanamafy ihany koa io olom-boafidy io, fa mafy be ihany koa ny kolikoly, ka izay mpangalatra aterina any amin’ny manam-pahefana mandoa vola dia afaka. Kamo ny olona hamokatra satria ny mpangalatra afaka herinandro, iray volana, dia mivoaka. Ireny indray no mandrahona ka lasa miraviravy tànana ny vahoaka. Nanao tolo-kevitra hampiharana ny dina, saingy tsy mety raisina eo anivon’ny tribonaly. Efa an-taonany namokatra lavanila, kanefa hatramin’izao tsy tena migoka ny tombotsoa satria isaky ny miakatra ny lavanila dia misy tsy fandriampahalemana, hoy hatrany io Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena io. Tsy finiavana hisintona lakolosy, fa tena mila fijerena, mila politika maharitra ny kere any Atsimo. Tena mampivarahontsana ny tranga sy ny tatitra, ary matetika efa ny tranga sy ny vaovao mipoitra eny amin’ny fampahalalam-baovao sy ny tambazotran-tserasera vao taitra ny tompon’andraikitra samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT