Sosialy

Kere any Betroka Misy olona efa tena mihinana ny tsy fihinana


  • Talata 27 Desambra 2022

Efa tafakatra 30 isa hatreto ireo olona namoy ny ainy vokatry ny haintany sy ny tsy fihinanan-kanina any amin’ny faritra Atsimo raha araka ny vaovao azo.

Noho ny fihinanan’ireo olona ny tsy tokony hohaniny no mahatonga izany, indrindra fa ireo foko bara. Mbola mitohy ihany anefa izany. Karazana fakan-kazo mitovitovy amin’ny ovy ala indray amin’izao no hohanin’ireo mponina any amin’ireo kaominina ambanivohitr’i Betroka, sakafo izay tsy nohanin’izy ireo hatramin’izay ka ahiana mafy ny ainy. Hanin’izy ireo manta izany nefa raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia tsy azo hohanina manta ny ovy ala sy ireo mitovy karazana aminy fa mahafaty avy hatrany. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hidina hanara-maso eny ifotony araka izany ireo mponina any an-toerana ary hanao tatitra mazava mikasika ny kere iainany fa tsy sanatria hanao tatitra vilana ka efa tapitra ripaka ireo zaza amam-behivavy vao hikoropaka.
Nangonin’i Pati
Legende : karazana ovy ala no lasa foto-tsakafon’ny olona sasany any Betroka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT