Sosialy

Kere any Atsimo Tsy mahalala ny tokony hataony ny fanjakana


  • Talata 08 Desambra 2020

Toa mitombina ihany ny tsy fananan’ny Fanjakana antontan’isa na “statistique”

 

 

 

mazava momba ny kere any Atsimo. Manerana ny Nosy moa, dia ao anatin’ny krizy ara-tsakafo, fa tsy ara-bary ihany. Izao vao manao be midina any Atsimo, ary toa tsy afa-miasa raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany mitsitaitaika. Asa na hafenimpenina ihany koa na ahoana, fa tena maivana ny seraseran’ny fitondram-panjakana amin’ny fiantsoana ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena, kanefa isika efa miharihary fa tsy mahavita sy tsy tsy tena mahavaha olana. Isan’ny nitondra fanakianana momba io serasera io ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary nandray ho ohatra ny ezaky ny Etiopianina. Ireny no isan’ny nanaovana ilay “We are the world USA for AFRICA” tamin’izany fotoana, ary mpamoron-kira tonga dia mpanakanto malaza eran-tany dia u Michael Jackson sy Lionel Richie, ary lasa hiram-piraisankina sy antso vonjy eran’izao tontolo izao iny. Tamin’ny horohoron-tany tany Port au Prince Haiti nisiana fahafatesana olona 200 000 dia naverina io “we are the world” io, nataon’ireo artista malaza tamin’izany, ka “chef de projet” tao i Wyclef Jean, ary nahazo fanampiana be i Haiti. Ny tiana hitarihana ny saina amin’izany, dia ny hoe: afaka trandrahana sy hiantsoana firaisan-kiana ny zava-kanto eto an-toerana sy any ivelany amina hetsika matotra sy mila fiaraha-mientana goavana, fa tsy hoe rehefa propagandy vao hahetsika ny mpanakanto.

FANAMPIANA IRAISAM-PIRENENA NO HAINGANA

 Fanampiana iraisam-pirenena na “Aide internationale” ihany no haingana amin’io satria ireo manana hoenti-manana na “moyen” goavambe. Isika samy ato anatiny aza toa tsy mahavita mampiombona ny rehetra ny Fitondrana, ary tsapa ho miavo-tsy feno. Ny tena marina ihany koa angamba tsy te hampihatra ny “Etat d'urgence alimentaire” na fahamehana ara-tsakafo satria afa-baraka amin’ny kisehoseho na “werawera” be loatra. Isika aza moa milaza fa hamonjy izao tontolo izao. Manana 77 tapitrisa dolara hanaovana kianja manara-penitra, fa miandry tohana avy any ivelany hoenti-mamonjy ny kere. Mba nisy resaka fiatrehana kere izany ve ohatra ny tetibolam-panjakana 2020 ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT