Tsy omby tratra ny fanampiana tonga eto amin’ny biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC, hoy ny tale jeneraliny,
Elack Andriankaja, omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Antanimora taorian’ireo antsoavo ho famonjena ny havantsika ianjadian’ny kere any atsimo. Tsara, hoy izy, ny manamarika fa tsy miandry ela koa ireo fanomezana dia efa alefa any amin’ireo toerana mila izany. Isany, ohatra, ny vary 8,5 taonina nentin’ny teo anivon’ny antenimieram-pirenena. Tsy misy tafajanona ao na iray gony aza fa efa any atsimo daholo. Faritra miisa 3 dia Anôsy sy Androy ary Atsimo andrefana no tena voakasiky ny kere any atsimo, hoy hatrany ny tatiny omaly. Ny distrikan’Amboasary no ao Anôsy. Ao Androy dia Ambovombe sy Tsihombe ary Beloha. Ny ao Atsimo andrefana dia Ampanihy andrefana. Ny ao Anosy no tena voa mafy indrindra sy mila hiazakazahana. Tao anatin’izay herinandro izay dia teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny BAM na “banque alimentaire de Madagascar”. Ao anatin’io ny BNGRC, ny PAM, ny Lions club. hatry ny omaly dia sakafo milanja 90 taonina no nozaraina tao Anosy, hoy hatrany ny tatitra. Kaominina miisa 4 no ezahana ho tratra dia Tanandava, Ifotaka, Berano, Tsivory. Misy vary, voamaina, mangahazo, menaka ireo sakafo nozaraina. An-dalana koa omaly ny 22,5 taonina sy 72 taonina. Katsaka sy vary indray ireo. Ezahana ny hametraka siterina miisa 30 raha toa ka tafapetraka omaly ny 12. Ireo no asa vonjimaika hatreto. Ho an’ireo distrika sasany moa toa an’Ampanihy dia efa an-dalana koa omaly ny 30 taonina. Tsy ho ela koa ny any Beloha sy Tsihombe. Ho hentitra ny fanaraha-maso, ny fitsinjarana, hoy hatrany ny fanazavana, ary ny antsasaky ny mpiasan’ny BNGRC dia efa any atsimo avokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.