Sosialy

Kere any atsimo Nanolotra rano voavoatra 15.000 isa ny Star


  • Talata 06 Oktobra 2020

Mafy ny hetaheta sy ny hanohanana mahazo ireo mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

 

 

 

 Ny raketa mena sisa no hany fakan’izy ireo rano hanamaivanana ny hetaheta sy hamokisana ny kibo, sakafo efa niainany amam-bolana maro. Mba ho fanomezana azy ireo ary dia nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star amin’ny alalan’ny talen’ny ivon-toerana Star ao Faradofay. Nanolotra rano efa voavaotra na Eau vive miisa 15.000 izy ireo tamin’ny alalan’Atoa Julien Lucky.Tao amin’ny CSB I Befaitsy, distrikan’Amboasary Atsimo no nisantarana ny fizarana ny fanomezana, natrehin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny. Raha araka ny fantatra moa dia ezahina hotsinjaraina faran’izay haingana ireto rano voavaotra ireto, ho famonjena ny ain’ireo mponina tratry ny hanohanana any atsimo. Nanatrika izany fizarana izany ny Association Fitia sy ny PAM.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT