Faritra telo amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny no ianjadian’ny kere, ka ny tena mitondra faisana amin’izany dia ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana ary Anòsy.
Tsikera nahavaivay no nahazo ny fitondram-panjakana manoloana ny fanairana nataon` ny solombavambvahoaka iray tamin` ny tambajotra serasera. “Ny kere dia nisy foana isan-taona. Taolana mifono nofo vao hikoropahana. Famatsiam-bola betsaka anefa no azo. Nisy atrikasa lehibe niarahana tamin`ny banky iraisam-pirenena, hatramina filankevitry ny minisitra nandritra ny herinandro teo natao tany amin` ireo faritra ireo”. Manoloana izany kosa dia nitondra ny heviny ny tale jeneralin` ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon` ny minisiteran` ny mponina, Randriamananjara Andrianiaina. “Tsy ilay sary nalefan` ilay mpanao politika vao taitra ny fanjakana. Efa nidina tany an-toerana ny ministera mpiahy iray volana lasa izay”. Ny minisiteran` ny mponina dia tsy vao izao no miasa fa manana ny fomba fanairana sy misoroka izany, hoy ihany izy. “Ao anatin` ny LFR 2020 dia efa nisy mari-bola mipetraka tsara ho an` ny “Kaly tsinjo” izay hamahana olona arivo isaky ny distrika tena tratran` ny kere saingy ny mamoaka ny pitsopitson`ny taratasy hamoahana izany no misy dingana maro tsy maintsy arahina amin` ny famoahana volam-panjakana.” Notsipihany kosa fa mandiso ny tenin` ny minisitra iray teo aloha tamina haino aman-jery izy milaza fa gaboraraka ny fitantanam-bola eo anivon`ny ministera. Manaraka izany, nambarany hatrany fa efa nisy vahaolana niaraha tamin`ny mpamatsy vola toy ny famolavolana ny drafitra “Mesure d`urgence réponse immediate” ka vola 4 tapitrisa dolara no harotsaka amin` ireo faritra ireo iadavana amin`ny kere ka izany no atao hoe Tosika vonjy aina, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.