Sosialy

Kere any atsimo Miantso firaisankinam-pirenena ny CFM


  • Talata 03 Novambra 2020

Manoloana ny fahoriana vokatry ny haintany any atsimo dia nanao antsoavo ho amin’ny firaisankinam-pirenena tetsy amin’ny foibeny etsy Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM).

 

Amin’ny alalan’ny fanampiana sy fanomezana samihafa ho enti-miatrika ny zava-misy ilain’ny mpiray tanindrazana amintsika any an-toerana, hoy izy ireo, no hanehoana izany. Tsy misy ny fampihavanana raha tsy misy ny firaisankina satria voin-kava mahatratra ary trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana. Mafy dia mafy, hoy ny CFM, ny manjo ireo havantsika ireo, mijaly ary mamoy aina mihitsy aza. Misaotra ireo rehetra tsara sitrapo efa namaly ary mbola hamaly izao antso izao ny CFM. Ny BNGRC sy ny rantsa-mangaikany, mifampitantana amin’ny mpitondra sy ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, no rafitra afaka hanao ny fitondrana sy ny fitsinjarana ara-drariny ny fanomezana rehetra, hoy hatrany ny CFM. Misaotra ary mankahery ny hatrany ny mpitondra mba tsy hikely soroka ka hanohy ny hikaroka vahaolana maharitra amin’izao hanoanana lavareny izao. Alao hery ry mpiray tanindrazana! Hamafiso ny firaisankinam-pirenena! Handeha hanampy ireo havantsika ao atsimo tsy ho faty noana ka mbola hananan’izy ireo hoavy feno fanantenana indray, hoy hatrany ity rafitra ity.


 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT