Nambara tamin’ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 18
novambra 2020, fa hisy ny fivoriana manokana tarihin’ny Filoham-pirenena iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny ny Banky Iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeanina, ny PAM, ny USAID, ary ny UNICEF. Hamaritana ny asa atao iarahana sy hametrahana ireo tetibola manokana ho entina hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ady amin’ny haintany any Atsimo. Nampahafatarina ny asa ambara fa efa natomboka: fametrahana ireo toeram-pitsaboana sy fanarenana ara-tsakafo sady toeram-pamatsiana ara-tsakafo; fizarana sakafo mahatratra 6000 taonina ho an’ny mponina iarahana amin’ny PAM; fametrahana ireo komity miady amin’ny haintany “comité anti-kere” izay tarihin’ny governora sy ny Lehiben’ny distrika, fizarana rano sy sakafo (350t) iarahana amin’ny Mahakama; ny fandrindrana ny fanisana ny mponina tena iharan’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Raha ny zava-misy miseho amin’izao fotoana izao, dia tsy hita soritra velively ny tena famonjena ny mponina tany Atsimo, fa kisehoseho no tena betsaka tamin’ny dian’ny Filoha, izay nilaza hiverina any, saingy mbola tsy tanteraka. Mety mbola miandry ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovan’ny mpiara-miombon’antoka izany. Midika koa ity fivoriana sy dinika ity, fa tsy manana vahaolana ampy sy mahomby ary mahaleo tena avy aminy ny Fanjakana, fa tsy maintsy miantehitra amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ny hirariana dia ho hita ny vahaolana mahomby sy maharitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.