Manao antso avo iraisam-pirenena hitadiavana vola 79,5 tapitrisa dolara
hanampiana ny ady amin'ny kere any atsimo ny fitondrana Malagasy sy ny Vondron'ny Firenena Mikambana. Midika io, fa tsy mbola voafehy tanteraka ny kere any Atsimo. 60 tapitrisa dolara no notadiavin’ny Fanjakana ny volana desambra, ary io fa mbola misy fikarohana làlam-bola hafa indray. Ratsy fipetraka ny tombana momba ny filàna ho an’ireo mponina mazava ho azy. Nafana tato anatin’ny herinandro mahery teo ny fifindra-monina, izay nambaran’ny teo anivon’ny filankevitry ny minisitra fa efa misy foana ny tahaka izany, ary ny 30% amin’ny mponina no miala any. Nolazaina fa misy ny mamporisika ireo olona,… Efa nafana ny toe-draharaha vao nandeha ny filazana fa mitsangana ny komity iraisan’ny minisitera. Ny avy amin’ny firenena mikambana no niaingan’ny fanairana, ary ireo no mahita kokoa fa mila tohana sy fanampiana amin’ny lafiny maha olona ny vahoaka Malagasy noho ny mpitondra Fanjakana izay hafa ny zavatra maika sy laharam-pahamehana. Rehefa misy zavatra misy akony be amin’ny raharaham-pirenena, vao iny fa mikorapaka manangana rafitra sy milaza fa hitondra vahaolana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.