Sosialy

Kere any Ambovombe Androy Manamafy ny tolo-tànana ny tafika


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Mitohy hatrany ny andraikitra raisin'ireo miaramila mandrafitra ny BMM amin’ny

 

 

hetsika Vonjy taitra manoloana ny kere any Atsimo. Ankoatra ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ankapobeny dia mirotsaka an-tsehatra any ifotony ireo mpitsabo miaramila ao Ambovombe Androy mifanome tanana amin'ny mpitsabon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka manao fizaham-pahasalamana maimaim-poana ny mponina ary mizara fanafody araka izay misy eo am-pelatanana. Misy ihany koa ny fizahana ny fahasalaman'ny ati-vava sy ny nify. Ankoatra izay, mitohy ny fanisana ireo mponina hahitana ireo tena marefo ahafahana mamonjy azy ireo. Tsy ataon'ireo miaramila ambanin-javatra ny fiambenana sy ny fiarovana ireo toerana hitobian'ny fanampiana sy ny toeram-pizarana izany, hoy ny fampitam-baovaon'ny tafika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT