Sosialy

Karinem-pokontany manara-penitra Tapitra ny tapa-bolana nolazain’ny Filoha


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Ny 08 aprily 2020 no nilazan’ny Filoha Andry Rajoelina fa hatomboka ny “digitalisation” na ny fanadihadiana sy fanisam-bahoaka ahafahana antontan’isa sy antontan-kevitra mazava momba ny vahoaka.

 

 

 

Nambara fa hatomboka any amin’ireo fokontany ao anatin’ireo faritra anaty fihibohana tamin’izany, dia ny teto Analamanga, Atsinanana ary Matsiatra Ambony. Nolazaina tamin’io fotoana io fa hizarana solosaina ny fokontany, ary ao anatin’ny 10 andro dia ho vita ny asa, ary hahazo “carte magnétique” ny olona. Fokontany aiza sy aiza avy no efa nahazo solosaina sy nahazo io karatra manokana io 4 volana sy tapany aty aoriana? Ny 09 aogositra indray dia nilaza i Andry Rajoelina rehefa nikorontana ny fizarana fanampiana noho ny tsy fahaizan’ny fanjakana, fa haverina ny fanisana, hovaina asiana “code barre” ny karinem-pokontany ka ao anatin’ny tapa-bolana no hanaovana izany. Tapitra omaly ny tapa-bolana ka fokontany aiza sy fokonolona iza ihany koa no efa misitraka izany? Misy tarehimarika mazava ve ? sa mba fanambarana fotsiny ihany iny !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT