Sosialy

Karine manara-penitra Sao dia adino tanteraka ?


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Dimy volana sy herinandro anio ny 08 aprily, nanambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hanaovana ilay « digitalisation » karazana fanisam-bahoaka sy fanangonana anatontan-kevitra mikasika ny fiainam-bahoaka nambara fa hovitaina ao anatin’ny folo andro.

 

 

 

Tamin’io no nilazana fa hizarana « carte magnétique » ny vahoaka, ka hatomboka tamin’ireo toerana nihiboka dia Analamanga, Antsinanana, Matsiatra ambony izany. Mandrak’androany tsisy na inona na inona ! Nitohy tamin’ny hanaovana karine misy « code barre » ny 09 aogositra, niova ho « QR Code » indray ny 23 aogositra satria diso ilay voambolana tamin’ny voalohany, ka nolazaina fa 15 andro indray no hanaovana izany, kinanjo tsy nisy vokany. Lojika, raha betsaka ny fampanantenana, fa kely ny tanteraka. Mailaka amin’ny fampanantenana, fa saika baraingo ny ankamaroan’ny hoenti-manana sy paikady hanatanterahana azy, ka zary sokajian’ny olona ho fampiesonana avy eo. Inona anefa no nanakana raha mba natao ny paikady hoe ireto boriborintany na kaominina ireto aloha no atao modely hisantarana azy dia asiana isa sy tarehimarika ary tetiandro mazava ? Toa mandeha amin’ny kitaitaitra, ka miovaova eny an-dalàna ny zavatra hatao, arakaraka ny zava-misy. Ny fampanantenana mitosaka ihany kanefa ny eo tsy vita, hany ka adino ny ankamaroany. Tokony zavatra hafa no atao kanefa misisika amina zavatra hafa mihitsy indraindray dia mazava ho azy na mitarazoka be , na tsy vita hatramin’ny farany ilay tetikasa na dia hita fa mety aza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT