Sosialy

Karazan-doka Miha mahazo vahana indray


  • Zoma 13 Aprily 2018

Mitombo isa hatrany ny Malagasy tia miloka amin’izao. Tsy mifidy saranga na taona intsony fa hatramin’ny ankizy mpianatra aza tafarotsaka koa.

Tsy ireo trano filokana vaventy no hasian-teny fa ireo karazan-doka maro samihafa eny amin’ny sisintsisiny etsy sy eroa. N’aiza n’aiza aleha dia ahitana azy io avokoa toy ny hazakaza-tsoavaly sy alika, ny “loto”, ny “keno”,  ny “baby-foot”, ny “billard”… Ny daomy sy ny rami moa dia efa hita isaky ny elakela-trano eto an-drenivohitra. Tsy latsa-danja koa ny fampiadiana akoholahy. Maro no mieritreritra fa mahafinaritra ny miloka ary tsy misy maharatsy azy rehefa tsy voararan’ny lalàna. Misy mihevitra fa fialamboly fotsiny ny miloka kanefa misy ireo milaza hoe fahazaran-dratsy manandevo izy io. Amin’ny ankapoben’ny olona miloka dia mitetika ny hahazo vola sy harena faran’izay haingana. Manao dokambarotra ireo toeram-pilokana hoe hahazo vola be izay milalao ao amin’izy ireo satria ny filokana dia mampirisika ny olona tsy te hisahirana fa hahazo vola amin’izao fotsiny. Antony mahatonga ny filokana miroborobo dia ny tsy fisian’ny asa ary mariky ny fahantrana izany. Misy ireo mpilalao nijabaka dia tena mandany vola aman-karena sy fotoana satria dia tsy raisin’izy ireo toy ny fialamboly intsony fa lasa antom-pivelomana mihitsy. Matetika ny mpiloka no tsy mety afa-po. Noho izany, Mampirisika ny olona hitsiriritra ny miloka sady mahatonga azy tsy ho vonona hiasa fa hanao ariary zato am-pandriana fotsiny. Mila mianatra miaina ao anty lamina sy rafitra ny Malagasy mba ahafahana miroso sy miara-mientana amin`ny fampandrosoana. Raha toa ka mifanohitra amin`izany dia miteraka fanapotehana ary ny tsy fanajana rafitra indrindra no manafaingana ny kolikoly eto amintsika. Tokony hasiana fijerena akaiky ny mahakasika izany toe-draharaha izany satria raha tsy voafehy dia handrisika ny olona tsy hisasatra intsony.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT