Sosialy

Karaman’ny mpiasan’ny ACM tsy voaloa Ho vahana amin’ny resaka tamberim-bidy


  • Talata 24 Aogositra 2021

Manoloana ny olana mianjady amin’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara na ACM dia nihaona

 tamin’ireo solontenan’ny mpiasa eo anivon’izany sy ny Randrana sendikaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza omaly ny minisitry ny fitanterana sy fizahantany, Tinoka Roberto. Nahitam-bahaolana izany, hoy ny avy eo anivon’ny solontenan’ny ACM ao anatin’ny sendika SVS, isan’ireo rantsana anaty Randrana sendikaly. Eo koa ny fiaraha-miasa hanavotana ny ACM sy ny sehatry ny Aeronotika manontolo. Manomboka anio dia efa hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny ACM izay nanomezan’ny minisitra toky ny amin’ny fanarenana ny ACM sy ny fanavotana azy mba haka indray ny sehatra efa nananany teo anivon’i Afrika sy eo anivon’izao tontolo izao. Ny vahaolana hita moa dia efa misy ny amin’ny resaka “redevance” ho karakarain’ny minisitra izay tsy azon’ny ACM hatramin’izay. Rehefa mipetraka izay tamberim-bidy na “redevance” izay tsy hisy intsony ny olana satria fantantsika fa na mihidy aza ny sisintany dia nitombo be ny “Cargo” tao anatin’izay COVID 19 izay, hoy hatrany ny fanazavana. Araka ny fampahafantarana natao moa dia 2 volana izao no tsy nandray karama ireo mpiasan’ny ACM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT