Sosialy

Karaman’ny mpiasam-panjakana Haloa tsy misy sarany amin’ny “Paositra money”


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Haloa amin’ny alalan’ny “Paositra money” avokoa manomboka izao ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hatomboka amin’ny zandarimariam-pirenena.

 

 

Natao mba hitsinjovana ireo mpiasam-panjakana, indrindra fa ireo lavitry ny banky no antony. Tsy maintsy hatao izay hamerenana ny paositra amin’ny maha izy azy satria io no tena mielipatrana manerana an’i Madagasikara. Any no tena manao asam-bahoaka, ka izay no nitsirian’ny eritreritra hoe azo ampiasaina tsara io hatao fitaovana hahafahana manampy ny namantsika any amin’ny faritra, ka na ny resaka fanapariaham-pahefana aza dia efa neritreretinay fa anisan’ny mandray andraikitra feno ny Paositra Malagasy, hoy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra Ramarolahy Christian. Ezaka lehibe hataon’ny minisitera ny hamelona ireny birao ireny, ka vokatra voalohany alefan’ny Paositra Malagasy io “ny Paositra money” ary hatao maimaimpoana ny resaka fampitana ny vola satria tsy sehatra tsy miankina ka hanaovana bizinesy io, fa kosa hitsinjovana ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy, hoy izy. Hahafahany mandray ny karamany araka ny tokony ho izy na aiza na aiza toerana misy azy. Vahaolana amin’ny tsy faharisihan’ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritany na lavitra andriana. Ho an’ny zandarimaria, tonga dia ho azo ampiasaina ho an’ireo mety manao iraka ivelan’ny renivihitra io, ary ahahafahana mahazo eo no ho eo ny tambin-karama na fankasitrahana manokana. Mampihena ny fikirakirana ny vola izay anisan’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izy ity. Nankasitraka izao fiaraha-miasa izao ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jeneraly Ravalomanana Richard.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT