Karama tsy voaloa

Niverina nitokona ny mpiasan’ny SMA


  • Alarobia 12 Jona 2024

Mafy ny mahazo ireo mpiasan’ny SMA mpandroaka fako eto Antananarivo renivohitra.

Tsy mbola nandray karama volana May indray mantsy izy ireo hatreto. Efa 11 Jona omaly Talata hoy ny delegen’ny mpiasa Jimmy Rakotoarisoa nefa tamin’ny 06 Jona no nifarahanay tamin’ny PDS Ramanambintana Richard. Ho an’ireo karama 3 volana teo aloha koa anefa dia notsindriany fa tsy nisy noraisina feno fa antsasany avokoa hany ka lany trosa. Mahatsiaro mijaly izahay hoy hatrany ity delegen’ny mpiasa ity. Nitokona nitaky ny karamany volana May indray izy ireo araka izany omaly izay nomarihiny manokana fa efa lany trosa. Notakiany nandritra izany ihany koa ny mba hivoahan’ny karaman’izy ireo volana Jona mialohan’ny hankalazana ny fetim-pirenena . Leo mpanao gazety izahay hoy izy ireo antsoina sy hitarainana lava. Leo mitokona ihany koa izahay saingy tsy maintsy mihetsika rehefa manao be marenina ireo tompon’andraikitra. Mangataka ny hanalana ireo mpitantana tsy mahomby eo anivon’ny SMA izy ireo noho izany raha toraka izay ihany koa ny hamerenana azy ireo ho eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny rano. Tsy adinon’ireo mpiasan’ny SMA ankoatra izay ny naneho ny alahelony mikasika ireo mpiara-miasa aminy noroahina ary lasa mitsindroka sisa ankehitriny . Ireo tsy an’asa aza efa tsy hita izay hanaovana azy hoy izy ireo nefa mbola hampitomboana ihany. Toraka izany koa ny tsy firaharahiana ireo mpiasa roa naratra am-perin’asa izay mitondra takaitra avokoa. Ny iray tapa-tanana raha voa ny lamosin’ny iray.
Pati
Legende : Nitokona nitaky ny karamany indray ireo mpiasan’ny SMA omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT