Sosialy

Karama sy vola tsy voaloa lava izao Taratry ny fitantanana tsy mahomby


  • Talata 24 Aogositra 2021

Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny an’ireo mpampianatra sy mpiasan’ny oniversite sy ny fanjakana momba ny tambin-karama sy ny karama.

Ny iray milaza fa tsy voaray ny vola, ny iray miteny fa efa nalefa any ny vola na efa ho avy ny vola.Ny tena zavadoza tahaka ny mitranga any Antsiiranana dial as amisy akony any amin’ny fitsarana ny fanadinana bakalorea ilay izy satria ny “vacation” taona 2020 mbola tsy azo efa tnga indray ny asa fitsarana taona 2021.Manjavozavo ny vahaolana noresahana hatreto mba tsy ilazana hoe tsy misy.Mialohan’izao efa iaraha mahafantara ny olana lava amin’ny vatsim-piianaran’ny mpianatra , ny taom-pianarana efa hifarana, mbola tolona be vao mivoaka ny vatsim-pianarana.Ny fomba firesaky ny tompon’andraikitra dia ny hoe efa lasa any amin’ny oniversite ny vola, na efa halefa, na hoe eo am-pandaminana ny lisitra…malaza indray moa tato anatin’ny herintaona izao ny hoe mbola mamarana ny “digitalisaion”.Raha ny tena marina anefa any am-panombohan’ny taom-pianarana dia efa voarafitra ny tetibola hiasana, ary fantatra mazava ny isan’ny mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha eny amin’ny oniversite fa tsy hoe misy miditra tampoka any antenantenany any.Ka inona no tsy handaminana miaraka amin’izay ny daty fitsinjarana sy ny fandaminaa maro samihafa; ny mampanahy ny maro amin’ity resaka ity dia ny hoe : sao lahy efa nalefan’ny fanjakana foibe tokoa ny vola fa bola nisy nampiasa kely aloha ka rehefa tafaverina sy nahazoana tombony tany ho any vao atao ny fizarana.Inona moa ny manakana ny fanjakana hanao fitsirihana tampoka ny bokim-bola sy ny vola eny amin’ireo oniversitem-panjakana mba hamantarana hoe inona avy ny zavamisy ao.Taratra tsy fahaiza-mandamina sy mitantana mantsy ity savorovoro isan-taona ity, izay mampikorontana , tsy ny oniversite ihany fa ny fiarahamonina mihitsy.Ary ny mampalahelo dial as amanimba ny toe-tsain’ireo heverina fa avara-pianarana mandrato fahaizana amam-pahalalana eny ilay kolotsain’ny fitokonana sy fitakiana lava izao isan-taona.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT