Karama farany ambany

« Mety ho lasa 262.000 Ariary eo»


  • Talata 27 Febroary 2024

Tsy niteniteny foana izahay akory, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ireo mpiasa malagasy revolisionera,

raha niteny hoe 1 tapitrisa Ariary no tokony ho karama farany ambany eto Madagasikara. Nokajiana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny filan’olombelona iray sy ny mpiasa nahafahana namoaka izany. Ny «budget type» na tomban’ny fandaniana moa no tena ho voizinay ka tsy hijanona izany raha tsy tratra ny tanjona. Mikasika ny fisondrotan-karama amin’ity taona ity moa dia efa vita ny fifampiresahana teo amin’ny vondron’ny mpampiasa sy ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara. Misy tao anaty adihevitra ireo mpampiasa tena nahatsapa fa tsy ampy tokoa io karama omena ny mpiasa eto Madagasikara hanatanterahany ny asany io. Ny marimaritra iraisana hita izany dia hoe any ho any amin’ny 10% any no mety fiakaran-karama amin’ity taona ity. 262.000Ariary eo izany no mety ho karama farany ambany. Mbola tsy ofisialy io fa mbola anaty fifandresen-dahatra. Miandry ny didim-panjakana fampiharana izany isika. Voaresaka tao moa ny hoe fiandohan’io volana martsa io izay no hampiharina. Mbola tsy miraviravy tanana aloha ny FISEMARE fa hitolona hatrany hanatrarana izany hoe karama ampy sy mahavelona ho an’ny mpiasa izany. Raha io no lazain’ny mpampiasa fa zakany dia mitodika any amin’ny fanjakana izahay mba hifehy ny vidim-piainana hafanatsahana amin’ny karama raisin’ny mpiasa. Anjaran’ny minisiteran’ny varotra no manara-maso ny vidin’ny entana eny an-tsena, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT