Sosialy

Karama farany ambany 200 000Ar Tsy nisy resaka intsony


  • Talata 19 Febroary 2019

Vao tonga eo amin’ny fitondrana dia hakarina ho 200 000 Ar ny karama farany ambany, hoy i Andry Rajoelina tamin’ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana tamin’ny 16 desambra 2018.

Ho an’i Marc Ravalomanana kosa tamin’ireny fotoana ireny, dia notsoriny fa “ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”. Mila mason-tsivana ara-toekarena maro vao afaka miditra amin’izay, saingy ho an-dRajoelina dia toy ny misy bokotra potserina, dia mandeha ny zava-drehetra. Tsy ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2019 io famerana ny karama farany ambany ho 200 000Ar io. Efa eny am-pelatanany ny fahafena feno afaka manitsy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hahafahana mampihatra an’io, saingy kepoka tanteraka sy tsy tena mahita afitsoka ny fanjakana Rajoelina. Nambara fa efa eo am-pelatanana ny pitsopitsony rehetra hahafahana mahomby, koa maninona no mbola mitsapatsapa sy mody adala tamin’ny fampanantenana natao ? Raha fampanantenana dia tena kapoakany, fa raha resaka asa toa tsy arakaraka ny maha TGV azy. Nambara fa any anaty sambo, ohatra, ny vary mora ho an’ny olona fa hatramin’izao tsy mbola tonga. Ny fiara raitra dia raitra ho an’ilay filoha anefa, tsy niandry ela fa ny andron’ny fianianana dia efa naseho. Ny zavatra nampanantenaina tokoa aloha tsy nisy fe-potoana mazava nomena tahaka ny nilazana fa amin’ny fetin’ny fahaleovantena 2020 no ho vita ny Rova, ka mila miandry ny rehetra satria 5 taona ny fe-potoam-piasana. Na izany aza, hita taratra aty am-piandohana fa resabe no betsaka ary manomboka fatoran’ny teny nataony sahady i Andry Rajoelina. Kitsapatsapa ny zava-drehetra, ary ny zavatra hireharehana hatreto dia ny nataon’ny fanjakana teo aloha saingy toa tiany hokosehina mafy.

Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT